1 Peter 2

1Noho izany ario ny ratsy rehetra, ny fahadisoam-panantenana rehetra, ny fihatsaram-belatsihy, ny faniriana, ary ny fanendrikendrehana rehetra. 2Tahaka ny zaza vao teraka, maniry ronono ara-panahy madio, mba hahafahanareo mitombo ao amin’ny famonjena amin’ny alalan’izany, 3raha nahatsapa ianareo fa tsara fanahy ny Tompo.

4Manatona azy ilay vato velona izay narian’ny olona, fa voafidin’Andriamanitra ho manan-danja Aminy. 5Ianareo ihany koa dia tahaka ireo vato velona izay voaorina ho trano ara-panahy, mba ho mpisorona masina izay manolotra ny sorona ara-panahy eken’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.

6Ny Soratra Masina dia ahitana izao: “Indro, Izaho mipetraka amin’ny Ziona vato fehizoro, voafidy sy manan-danja. Izay rehetra mino azy dia tsy ho menatra.”

7Ny voninahitra noho izany dia ho anao izay mino. Kanefa, “ny vato narian’ireo mpanori-trano, izany dia tonga lohan’ny fehizoro”- 8ary, vato mahatafintohina sy vatolampy mahalavo. Tafintohina izy ireo, tsy nankàto ny teny, izay voatokana ho azy ireo ihany koa.

9Fa ianao dia olom-boafidy, mpisoron’ny mpanjaka, firenena masina, olona ho an’ny fananan’Andriamanitra, mba ho afaka hanambara ny hatsaran’ireo asan’ilay iray izay niantso anao avy tao amin’ny haizina hankao amin’ny hazavany mahatalanjona ianao. 10Taloha ianao tsy olona, kanefa ankehitriny ianao dia olon’Andriamanitra. Tsy nandray famindram-po ianao, fa ankehitriny ianao nandray famindram-po.

11Ry malala, miantso anareo toy ny vahiny sy mpirenireny aho mba hifady ny filàn’ny nofo, izay mahatonga ady manohitra ny fanahinareo. 12Tokony manana fitondran-tena tsara ianareo eo amin’ireo Jentilisa, mba ho, raha miresaka momba anareo ho nanao zavatra ratsy izy ireo, dia tokony hahita ireo asa tsaranareo sy hankalaza an’Andriamanitra amin’ny andro izay hahatongavany.

13Ankatoavy ny fahefan’ny olombelona rehetra noho ny amin’ny Tompo. Ankatoavy toy ny ambony indrindra ny mpanjaka, 14sy ireo governora ihany koa, izay nalefa mba hanasazy ireo mpanao ratsy sy hankalaza ireo izay manao ny tsara. 15Fa izany no sitrapon’ Andriamanitra, amin’ny fanaovana ny tsara anareo dia mampangina ny resaka tsy mahalala fomban’ny olona adala. 16Tahakan’ny maha-olon’afaka, aza ampiasaina ho toy ny fanaronana fahalemena ny fahafahanao, fa aoka ho toy ny mpanompon’Andriamanitra. 17Omeo voninahitra ny olon-drehetra. Tiavo ny firahalahiana. Mahatahora an’Andriamanitra. Omeo voninahitra ny mpanjaka.

18Ry mpanompo, meteza hanaiky ny tomponareo amin’ny fanajana rehetra. Aza manaiky ho mpanompon’ny tsara sy ho tompo tsara fanahy, fa ho an’ireo ratsy toetra ihany koa. 19Satria mendri-piderana izany raha misy miaritra fanaintainana rehefa mijaly amin’ny tsy rariny noho ny fanantenany an’Andriamanitra. 20Fa ohatrinona ny vola raha manota ianao ary miaritra mandritry ny fanasaziana anao avy eo? Fa raha nanao ny tsara ianao ary miaritra mandritry ny fanasaziana anao, dia mendri-piderana amin’Andriamanitra izany.

21Fa noho ity no niantsoana anao, satria Kristy ihany koa dia nijaly ho anao. Namela ohatra ho anao Izy mba hanarahana ireo lalany. 22Tsy nanota Izy, na hoe nisy fitaka teo am-bavany. 23Rehefa notenenana ratsy Izy, dia tsy mba namaly ratsy. Rehefa nijaly Izy, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny tenany tamin’ilay iray izay Mpitsara ampahamarinana.

24Izy tenany dia nitondra ireo fahotantsika tao amin’ny tenany ho eo ambony hazo, mba tsy hanana anjara amin’ny fahotana intsony isika, ary mba hiaina ho an’ny fahamarinana. Tamin’ny alalan’ny ratrany no nahasitrana anareo. Nirenireny toy ny ondry very ianareo rehetra, fa ankehitriny ianareo niverina tamin’ny mpiandry ondry sy mpiambina ny fanahinareo.

25

Copyright information for PltULB